1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida, fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an'i Batseba izy. Mamindr fo amiko, Andriamanitra , araka ny fahasoavanao; araka ny haben'ny fiantranao vonoy ny fahadisoako.

2 Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.

3 Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.

4 Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara.

5 Indro, tamin'ny heloka no niterahana ahy, ary tamin'ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.

6 Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin'ny miafina no ampahafantarinao ahy.

7 Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka*.[Heb: toy ny oram-panala]

8 Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian'ny taolana izay voavakivakinao.

9 Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra.

10 Amorony fo madio aho, Andriamanitra ; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.

11 Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.

12 Ampodio amiko ny fifaliana amin'ny famonjenao; ary tohny fanahy mazoto aho.

13 Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao.

14 Vonjeo ho afaka amin'ny valin-dr aho, Andriamanitra , Andriamanitry ny famonjena ahy; hihoby ny fahamarinanao ny vavako*.[Heb: ny lelako]

15 Tompo , sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako.

16 Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao.

17 Ny fanatitra ho an'Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra , tsy mba ataonao tsinontsinona.

18 Manaova soa amin'i Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy ny mandan'i Jerosalema.

19 Dia ho sitrakao ny fanati-pahamarinana sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra levonina amin'ny afo; dia hanatitra vantotr'ombilahy eo amin'ny alitaranao ny olona.
<PIXTEL_MMI_EBOOK_2005>17                                                          </PIXTEL_MMI_EBOOK_2005>